Filoha: Bary Randresy ( Randresiarisoa)
Filoha Lefitra Québec: Andrinirina Rakotomalala
Filoha Lefitra Ontario: Bruno Andrianarijaona
Filoha Lefitra Colombie-Britannique: Michelle Rakotonaivo
Filoha Lefitra Terre-Neuve et Labrador: Andry Ratsimandresy
SG: Minasoa Rasamimanana
SGA: Tatamosoa Rajaonarison
Responsable Communication: Vola Rakotomalala
Trésorier: Solo Razafimahandry
Pejy Facebook : Malagasy Mifanohana eto Kanada
Courriel: diasporamifanohanacanada@outlook.com
Ny « Fikambanana Diaspora Malagasy Mifanohana eto Kanada » dia fikambanana mijoro nanomboka tamin ny taona 2014 ary manaraka ny lalàna mifehy ny " compagnie" sy ny "association” eto Kanada sady manaja ihany koa ny ‘Charte Canadienne des droits et libertés’.
Manana rantsana na solotena amin’ny tanana maromaro eto Kanada ny fikambanana, ohatra amin’izay : Ottawa, Vancouver, Québec, Val d'or, London, Trois Rivières …Miisa eo 120 eo ny isan'ny mpikambana amin'izao fotoana.
Malagasy Mifanohana no tarigetra mba hifanohana sy hifanampy amin'izay atao rehetra.Malalaka ny fidirana ho mpikambanana. Ny fikambanana dia tsy miteny amin'ny anaran'ny Malagasy eto Canada fa kosa miteny amin'ny anaran'ny Fikambanana Diaspora Malagasy Mifanohana eto Kanada.
Ny « Fikambanana Diaspora Malagasy Mifanohana eto Kanada » dia tsy miditra amin’ny lafiny politika na ny ara-pinoana fa mamela malalaka ny safidin’ny tsirairay.
Tanjon'ny fikambanana dia ny fampiroboroboana ny maha-Malagasy sy ny fanandratana ny kolotsaina Malagasy aty ivelany amin'ny ankapobeny. Mijery ihany koa ny lafiny sosialy sy ny maha-olona.
Maro ny ezaka sy ny asa efa vitan’ny fikambanana, tao ny fametrahana ny assurance rapatriement de corps, ny fanatanterahina hetsika mandritra ny fetim-pirenena, ny SORATONONINA Canada, ny Journée Culturelle de Madagascar au Canada,
ny fametrahana ny hetsika Zanak'i Madagasikara am-pielezana na ny ZAMA izay notanterahina tany Wakefield. Fandaharana amin'ny pejy Facebook ny fikambanana, ''Ny fiainana eto Kanada'', entina hampahafantarana ny fiainana andavanandro eto kanada ho an'ireo maniry ny ho eto.
Nandray anjara ihany koa ny fikambanana amin’ny ezaka fanampiana any Madagasikara, isan'ireny ohatra ny fandraisana anjara tamin’ny fandalovan'ny rivo-doza samihafa tany an-tanindrazana.
Misokatra amin'ny fiaraha-miasa rehetra ny fikambanana indrindra fa ny fampiroboroboana ny tontolon'ny maha-Malagasy antsika.